4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embona (film) - Mahaleo

Kely izy roa dia nifankatia

Hiaraka ho doria doria.

Ranomasina ary lanitra,

Nanao voady hifanambady.



Ny anjara tsy nahaleo ny sitrapo

Tsy tafaraka akory izy roa

Fa nisampana ilay lalana

Ny iray ni’atsimo ’ndray nianavaratra.



Embona no sisa tavela ao am-po

Embona an-olondroa.



Roampolo taona, indray hariva izay

Toamasina nanorana tamin’izay

Nifanojo tokoa ny lalan’izy roa

Nisy niantso nisy ny sento



Hoy ilay vavy firy ny zanakao?

Ny ahy Miora toa ny anaranao

Ny ahy Lova hoy ilay lahy

Hatramn’izay aho tsy nanadino anao!



Embona no sisa tavela ao am-po

Embona an-olondroa.

Partager embona (film)

Commenter embona (film)

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite