4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Embona - RAV'N

Na… ho lany andro aza aho, dia laniko ho anao
Hiandrasana anao
Fa…Tsapako izao, ‘lay atao hoe TIA
Ny foko efa maty

Tsy tantiko intsony, ny misaina anao
Maratra ny foko
Haiko tokoa fa tena mila anao
Tsy zakan’ny aiko

Pont: Fa na ho rava àry izao tontolo izao
Ny fitiavako efa anao

Ref: Antsoy aho raha malahelo ianao
Antsoy aho raha manembona ahy ianao
Antsoy aho raha mahatsiaro ianao
Raha sitrakao

Toa…mahatsiaro, malahelo anao
Manina anao
Tsiahy…embona sisa, no sisa tavela
Fa tsy eo ianao

Tsy tantiko intsony, ny tsy eo anilanao
Aza avela irery aho
Haiko tokoa fa tsy mahatsapa ianao
Jereo fa mijaly aho

Pont: Angatahiko ny Avo hiahy anao
Eny! izaho hitalaho aminao hoe:

Ref: Antsoy aho raha malahelo ianao
Antsoy aho raha manembona ahy ianao
Antsoy aho raha mahatsiaro ianao
Raha sitrakao

Tongava raha tsy sahirana ianao
Tongava ref’afaka iny ianao
Tsy tantiko ny tsy hahita anao
‘Ndray andro any

Partager embona

Commenter embona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe RAV'N