4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ekena re ! - Mahaleo

Eny re !
Fa mazana ianareo ka mirehareha
Ekena re !
Fa mazana ianareo fa manana aleha

Fa anareo ny asa,
nefa ianareo tsy miasa
Lanianareo ny vola,
avy eo nareo midola !

Eny re !
Fa katraka ianareo, ka mampifilafila
Ekena re !
Tafiakatra ianareo, ka mampivaralila

Tsy ahoanareo akory,
Na be ny sorisory
Angady mampahory
aleonareo matory

Drodroka, sady efa vizana
No tena very aina, ho'aho
Sempotra tany am-pandihizana
F'ianao lay nantenaina
Hitondra ny faneva,
Hijoro sy ho meva
No nivadi-belirano
Ka nampiditra angano

Angamba re, tsy tsara afangaro
Ny saina sy ny aina
Asehoy ho fantatry ny maro
Ireo zava-tsy ilaina
Fa maro ireo pôk'aty manabatibaty
Ireo no mamosavy antsika mianakavy !

Partager ekena re !

Commenter ekena re !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite