4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa voadinikao andriamanitra ô - FIHIRANA FANAMPINY

Efa voadinikao Andriamanitra ô

Ny fiainanay zanakolombelona

Tsy misy izay miafina amiko tsy hitanao

Ianao no manendry izany Andriamanitra ô

Indro ny fikasako voalahatrao

Ny fiainako rehetra dia Aminao

Ny fahotana vitako taminao,

Mangataka famelàna Andriamanitra ô



Aza avela aho hangahiahy

Fa ampioreno mafy ny finoako

Ka mamely ahy ny fankam-panahy

Dia matoky Anao ny Fanahiko

Ny nofoko anie malemy no sady kely

Torovana tsy ampy hery ka manahy

Meteza Ianao anio Andriamanitra ô

Ho hery sy toky ho ahy mandrakizay



Ianao no vatolampy sy fiarovako

Ny Herinao no indro hizorako

Ny foko ao anatiko ao efa fantatrao

Dia raiso aho ho zanakao Andriamanitra ô






Partager efa voadinikao andriamanitra ô

Commenter efa voadinikao andriamanitra ô

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FIHIRANA FANAMPINY