4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Efa tara - Voahangy


EFA TARA

Nivoady izy fa hanaja sy ho tia anao
Ninia nikipy raha nahita ireo ditranao
Nivavabavaka isan’andro ampiova ny fonao
Nandefitra sy mbola tia saingy ela vao tsapanao

Tsaroiny ireo andro hariva niandrasany anao,
Ny alina izay mangatsiaka, irery izy tao
Nangasiasy toy ny very izy raha nilaozanao
Nekeny anefa rehefa izany no fahasambaranao

Refrain
Nefa ankehitriny ve, vao tonga ianao
Nefa ankehitriny ve vao tsapanao
Ny fijaliana izay nentiny
Nitia niandry nandefitra hatrizay

Nefa ankehitriny ve vao ilainao
Nefa ankehitriny ve tadiavinao
Ilay fitia izay natosikao
Efa tara ho’aho vao folaka ianao an an an

Diso aoriana nefa hono vao tonga ianao
Toerana efa voasolo no vantaninao
Nahay namboatra saina mantsy izy raha nilaozanao
Nefa sitra-panafody ihany ilay ratra mbola vao


Diso aoriana anefa hono izato antsonao
Efa voafafa sy voasolo ny anaranao
Nahay namboatra saina mantsy izy raha nilaozanao
Efa mba nanolatra ny fery izay napetrakao

Refrain: Nefa ankehitriny ve, vao tonga ianao
Nefa ankehitriny ve vao tsapanao
Ny fijaliana izay nentiny
Nitia niandry nandefitra hatrizay

Nefa ankehitriny ve vao ilainao
Nefa ankehitriny ve tadiavinao
Ilay fitia izay natosikao
Efa tara ho’aho vao folaka ianao an an an


Voahangy


Partager efa tara

Commenter efa tara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Voahangy