4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Atsipy ho an'la - Donat

O o zandry e asivo patiny @zay e

’lay katroketriky ny penina efa mamay e

ty ny rima de tan, ty ny insta de tan

atambatry ny vata maro afitsoka de pan

DONAT le kifa atsipy ho an’la

efa mijajika tsara fararanon’ny aingam-panahy

hanangana lay kolotsaina made in Mada

@ mari-drefy na tosika izay efa tsara bara

mi-perce io iaba, mirefitra io iaba

raiso an-tanana iondano ataovy baba

nosedrain’ny vanim-potoana tsy fidiny nandalovan’ny sivana

kaon-doha tao anatin’ny taona maro ngarangidiny

nasesiky ny rima hitolona taratasy

ho fandresen’ny HH demokratika malagasy

f’efa ambivitra ’lay rano natsakaina

ka hody ventiny ho tambin’ilay fikelezan’aina

nisesy ny sakra hitondrana an’ilay taranja hiakatra

tsipy sandry vikin-dava faran’izay takatra

tsy nijery ny tenany ho setrin’ilay safidy nofantenany

fa andry maso ho an’ny kanto sy kolotsaina ihany no erany





Ref: Yeah, ty le kifa atsipy ho an’la

       le rima anaty

       fararanon’ny aingam-panahy

       raha kopy ela

       tondroy ataovy hoe paré

       raha kopy ela

       tondroy ataovy hoe paré





O rahalahy, ty ’lay nandrasan’la

samia makamaka izay tandrify azy fa tsisy ny voasazy

dia aza mihafahafa f’efa samy isika mianakavy

tsisy ny tompony k’aoka tsisy hilaza azy ho favy

handrava efa hilaza azy ho tompon’ny trakefa

hamoritra ny sasany hanery azy mpanarakefa

hanangana lay fefy ho sakana hivelaran’ilay kolotsaina

fa raha misy ho zaraina, izao no ataovy ao an-tsaina:

"soa iombonana izy ity, ady ho an’ny lalana izy ity

k’andao aty izay kila mikifa hamarinony dia"

fa tsy ho voafetra, vavahady mivoha ho an’ny rehetra

tsy hoe faritra mena aty ka misty idiran’izay gretra

na revina miss izay ratsy sokatry dia tsizy

na passe à 10 dia izay votsavotsa tanana tsizy

fa doom! Dominay izay hitanay fa doom! fahananay HH milay

tsy havelanay hanenina ho taiza-na mozika mba ho ela velona

sanatria tsy izay loko, na foko no andeha hanelingelina

tsy ho sokajin-taona na izay saranga no sakana

fa ny tany no tsara raha ny hazo no vanon-ko lakana





Ref:.......





Tsy hoe manambanambana,

fa mba hitondra rima eran’ny tanana

sanatria izay fifaninanana

tsy hanandrakandrana

handraraka lay ilo mby an-doha

fa mba hametraka iray ho an’izay "mpiondana efa vato fo"

hanompo ny faharetana,

hanohy reo ezaka nimatimatesana

hihoatra ny ela nihetezana

hilofo an’ilay kolotsaina fa tsy hiady ho an’ny tenany

tsy ho voafetr’izay mety ho marika fifandrafesana

Yeah dominay izay hitanay yeah fahananay HH milay





Ref:......

Partager atsipy ho an'la

Commenter atsipy ho an'la

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Donat