4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Dady - Tselonina

Dady



Hitantarao angano aho dady

Tantaran’ny andro taloha

Azavao ahy tsotra hoa dady

Ny fitiavanareo izay nialoha

Hizaha izay ho tiana ve dady

Mba tsotsotra ohatrin’ny anio?

Misaraka amin’ny tiana ve ‘nareo

Mba namoy fo toy ireo



Ref: Irony efa lasa tahiry fahiny

Tantara no re, tsy hay izay nihaviany

Ny anganom-pitia moa ve tsy nisy sa hadino

Tantarao aho



Hitantarao angano hafa aho dady

Ny fitiavanareo toa miery

Ikoto sy Fara sy ry Ingahibesola

Dia tantara efa vita tsianjery

Endra ny hilaza ve dady?

No lanjalanjaina ity loha

Fa ry Andrianampoina ve dady

Mba nanoka-pitia tao am-pony



Ref: …

Hitantarao angano aho dady

Tantaran’ny andro taloha

Azavao ahy tsotra hoa dady

Ny fitiavanareo izay nialoha.


Partager dady

Commenter dady

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tselonina