4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Niova fo - CRESCENDO

Lasa izy nandao

Namela ahy irery

Noentiny avokoa ireo enta-kely

Fotoana fohy monja

Noferany ho ahy

Hasambarana fohy

Nandratra fanahy



Nofy avokoa sy tantara ihany

Tsy maty ato am-po

Tsaroako foana hatrany

Ny hany heriko sisa

Dia mba nitanisa sy mamisavisa

Ireo lasantsika



Babonao aho anie fahiny

Tsy izany intsony ankehitriny

Resinao aho teo aloha

Izao kosa efa nifoha



Nataony kilalao

Ireo dina izay natao

Toa very maina zay nokasaina

Ka hiharina aho hitsabo ilay fo

Sy hanitsy indray ny famindra koa



Babonao aho anie fahiny

Tsy izany intsony ankehitriny

Resinao aho teo aloha

Izao kosa efa nifoha



Resinao aho ry taloha

Izaho kosa efa nifoha





CRESCENDO

Partager niova fo

Commenter niova fo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe CRESCENDO