4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Voninahitra sy haja - BETTY

Voninahitra sy haja, no indro atolotray

Ho anao Jesoa Mpanjaka, ho Anao mandrakizay

Fa azonao ny fandresena, noho ilay famonjena

Izay nanoloranao tena, an-tsitrapo tsy noterena.



Ny mba hany faniriako, tsy hisaraka aminao

Fa Ianao no fiadiko, sy apingako izao

Ka tsy atakaloko Anao, raha izao tontolo izao

Fa ny Voninahitrao, no asandratro izao.



Fiverenana :

Ka ny heriko rehetra, entiko hanompo Anao

Izao sitrakao rehetra, Jesoa O! no aoka hatao

Partager voninahitra sy haja

Commenter voninahitra sy haja

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY