4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tanana masina - BETTY

Misy tany vaovao, izay miandry ahy sy ianao

Fa izao tontolo izao dia ho rava sy ho lao

Izay rehetra ananako, vola sy harena koa

Tsisy hianteherako, fa ho levona avokoa



Raha ho avy ny fotoana izay hialako ety

Hanatrehako ny tavan’ilay Mpanmonjy tia

Dia izaho sy ny ankohonako izay nomen’ny Ray

No hitsena am-pifaliana ilay Mpampiakatra



Ireo fianakaviana izay, nandray ny hafatry ny Ray

Izy no handova ilay fiainana mandrakizay

Dia izay mifanasoa n’inon’inona manjo

Sy mifampahery koa @ ireo teny soa.



Fiverenana :

Ry namako o! andao

Fa miandry antsika izao

Ilay Jerosalema vao, tanàna masina

O! Faingana ande ilaozy, izao tontolo izao

Fa miandry antsika ilay tanàna masina .(X3)



Betty

Partager tanana masina

Commenter tanana masina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BETTY