4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Renivohitra - Belahy

1-Mangata-dàlana fa andeha hiakatra ho any an-drenivohitra ô.

Avy any @ dezaka no fiaviako voadidin’ireo tendrom-bohitra ô

Efa hatry ny ela no efa naniry hiakatra hijery an’izany an!

saingy ny saran-dàlana no mbola tsy ampy satria misondrotra hatrany an



Nandalo teo Anosibe ny fiara ,fotaka maimbo tsy mahate hiala

Raha tany aminay io natao tanim-bary hamboléna hitsinjovana ny andro mosary

Fotaka loto arabe sy bazary no mifanakaiky ary miharihary

Nalefa ny tatitra tsisy namaly

gaga ny pokona taitra ny tary oooo



FIV:

Hay ve tahak’izany no an-drenivohitra

hay ve eny an-tsena aza mihoso-potaka

Hay ve tahak’izany ny aty any @ ville

hay ve ny sarety aza mbà mi-style.



ANTANANARIVO  no natao môdely

eny Anosy aza nasiana anjely

avy any Andravoahangy aho no nankeny Isotry

indray andro mbà nirenireny

rakotra fotaka hatramin’ny kiraro tafiditra hatramin’ny rano



Hay ve .....



2-Tsy mahatamàna ny rivotra ety fa revena milamina ihany an

Setroka maro no

mifangaroharo :sigara,lasantsy ,gazoaly ô..

misy tanàna aza mbà misy jiro kanefa poteau tsy mirehitra aaa



Mandravarava ireo tonta kely mandroba fa nahazo sehatra

Fiainana an-drenivohitra izy ity izay tsy manana sy taraiky 4 mi

Hatramin’ny  kilemaina no mangataka mbà te hikandra ihany fa tsy afaka

Ny momba an’ireo mahantra tsy haiko intsony ny biby eny Tsimbazàza no ambony

Inona ihany koa no malàza hatreny @ hôpitaly ny hala-jàza

Tsy resaka honohono na angano fa tena misesisesy ny hain-trano



Hay ve.....




Partager renivohitra

Commenter renivohitra

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy