4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ikalamara - Belahy

Ô lasa ihany Ikalamara na dia efa noraràna fa tsy tàna

Lasa namonjy irony hotely firevena trano be mijoalajoala!



Isan-kariva vao mirava ny sekoly

Dia mandeha miala voly

Ireo vahiny avy any am-pita no iarahana

Ary mifanolosolo

Ny faniriany hatramin'izay hijangajanga na hanaraka vazaha

Efa nahazo toky mamy efa komana fa ho entin-dry zalahy



Tonga lafatra ny revy sady bonne ny kôzy

Ka avy hatrany dia nidoraka fitiavana eo anilan'ireo vazaha

Orokoroka misesy, ranomanitra midofaka

Fihetsika nanaitr'ilay mpamily tao anaty picklah

Ilay mpamily mahazatra sy maharaka ny affaire

Ka avy hatrany dia hotely Colbert

Hafaliana ny an'Ikala fa miady be ny baolina

Rahampitso angamba mety Hilton



Ny progany dia miaraka @ lera

Hilton vao Espace Dera

Ilay mpamily mahazo taratasy manabara izay aleha!!



Be dia be ireo vahiny tonga teto niarahan'Ikala

Be dia be ireo vahiny tsara otra ka mahay mitantara

Be dia be ireo vahiny gaigy lahy ka namitaka an'Ikala

Nisy avy any Paris, Algérie, Djibouti, Angola

Nisy avy any Comores, Zimbabwe, Tahiti, Canada

Nisy tsy fatam-piaviana, tsy haiko intsony na anglisy na metisy

Ilay akama avy eny Ankatso dia namitaka fa hoe avy any Suisse!



Nampitomany ihany Ikala

Ilay revy teny ara-sary

Diso fanantenana

Saika handeha ka voatana

Pasipaoro sandoka misy sonia

Toy ny dian-drangotra!!!



Lasa nanainga ny Boeing

Nifampikopa-tanana ny kil

Nimbarakay ny Automobile



Mbola miandriandry any am-pita Rasipa

Aza mitomany fa efa be no vita ôo!!



Lasa nanainga ny Boeing

Nifampikopa-tanana ny kil

Nimbarakay ny Automobile

Lasa nanainga ny Boeing

..........................


Partager ikalamara

Commenter ikalamara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy