4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Hopitalim-bahoaka - Belahy

1-Trano natao hitsaboana marary dia mizara 2 ary miharihary

nasiana sokajiny ambony sy ambany fa ny an’ny vahoaka dia tsy zarizary .

Isika rehetra efa samy narary satria ny olombelona voa-janahary

mahafantatra tsara ny momba an’izany na dia hoe tsy miditra ny hôpitaly (2 fois)



Zara raha misy fandriana hatoriana

ny fanafody tsy misy fa mbola vidiana

vao maika misosoka ny fahoriana

efa kôpy radoko fa mody mangina

dokotera nianatra momba ny aretina

miakanjo fotsy madio tsisy pentina

voatendry hiasa @ irony hôpitaly hopitalim-bahoaka

hopitaly marary mijaly

fanafody tsy misy fitaovana tsy ampy

ny atsy marary radoko efa kivy efa te hi stansa

mbola mitatitra indray ny ambulance



Hôpitalim-bahoaka a (2)

hôpitalim-bahoaka tsy hidiran’ny laibany misy apoaka

hôpitalim-bahoaka a(2)

hôpitalim-bahoaka tsy rariny loatra raha toa tsy mivoatra

ho  an’iza ilay tonga lafatra sy tena mivoatra

mbà rahoviana vao hisy ilay fitoviana sa rehefa any an-koatra

Andriamanitra no tompon’ny aina ary koa nanamboatra

fa izay rehetra voaantso na iza na iza tsy afaka hitsoaka.



hôpitalim-bahoaka a....



Dia nasiana resaka natao re maneran-tany fa tsy misy intsony ny ambony sy ambany a

dia mbola niandry ary miandry izay momba an’izany

mbà karakarao re fa mampifamaly o

Lasa nadeha any am-pita rampanana nitsabo tena nadany fananana

zanany lahy eto efa tafita

mpitsabo mahay eny @ Gérard et robic

zanany vavy efa tena havanana

mpitsabo marary eny Befelatanana

Lasa rampanana nankany am-pita

naninona kay no tsy teto amintsika?





Hôpitalim-bahoaka a...
















Partager hopitalim-bahoaka

Commenter hopitalim-bahoaka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy