4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Asa ihany.. - Belahy

1-Dia diso ve ny tenako raha toa ka hamàky taratasy hita latsaka omaly, teny ILAFY(2)

Ny olona nanoratra tsy fantatra na iza ?

fa misy adressy hafahafa avy any Andriba

ka henoy e

Mitobaka ny fako hatreny ambonin’ ny arabé, milahatra ny afisy misy anaran-deputé

Mirehitra ny ala mandrava ny valàla

Mitombo ny mpitsindroka miha betsaka ny adàla ...ASA IHANY



Nandalo ilay minisitra tsy hita fa nisitrika

voasakana ny vam izay tsy ao anaty lisitra

izy anie tsy mpindrana fa tompon’ arabé

arahin-kortézy sy nitsoka sifflé, raha mandeha.

Nahatsiarovako lalao malàza t@ môndialy

kara-mena kara-mavo sifflé naseho an-tsary

miharihary

Mba rahoviana i Gasikara vao mibàta ny amboara?

Izay tonga dia manjavona na ny FF na dôllara

Tandremonao razandry

tandremo mandrimandry

tandremo lesy zandry aza mety ambara vandy

tandremo lesy zandry ka tandremo.....





2-Navadika ny pejy ka dia toa nampitebiteby

natompiko ny masoko ka avy hatrany dia grévy ,ny eo ambony

Nasiany sarin’olona mahia sy botrefona

Andrianampoinimerina manàmbana @ lefona aiaia



Mila mailo fa miharatsy ny fandehan-draharaha

mibanaka matetika ny fonjan’i Tsiafahy

Tsy misy tsy misondrotra hatramin’ny saran-dàlana

manao izay tiany hataony fa nahazo fahafahana ,afaka aaa



Nasiany sary mig  t@ basy  hélico

misoratra eo ambany fitondràna commando

miparitaka ny basy isan’andro misy maty

herisetra , hadalàna nefa tany tan-dalàna

ASA IHANY A...

Mitsatoka ny bôrne mazava ny @ iny

tany be izay midadasika no lasan’ireo vahiny,

novidiany

Novidiany hatramin’ny tany varo-maizina mangina

fahafahana manon-drabolamena sy safira

Zandry a ! vakio iny taratasiko iny

ny anarako tsy ambarako fa izaho dia mpivahiny

zandry a izaho mahatoky anao!



ASA IHANY AAAN

ASA IHANY OOOOO...








Partager asa ihany..

Commenter asa ihany..

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Belahy