4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy voankazo an'ala - BARIJAONA

Ny anatra hono tsy voankazo an’ala

Ka hisy mangidy tsy maintsy aloa

Fa tsipaky ny omby ka tena fandala

Satria mahafaty raha toa mahavoa



Ny anatra anie toy ny tady hatsipy

Ka samy voasingotr’ireny ny miaina

Ny adala mihifika sady mikipy

Ny hendry mandalina sady misaina



Ny anatra hono fanao ala-nenina

Ka harangaranga sy tsy hafinafenina

Ny hanongotsongoina ny maty ho taitra

Ny mandevim-belona mantsy tsy laitra

Partager tsy voankazo an'ala

Commenter tsy voankazo an'ala

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe BARIJAONA

Suite