4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Betesda - AMFM

Tany Jerosalema tamin’ny andro firavoravoana

Dia nandeha Jesosy mba hijery izany indray

Ary nisy farihy anankiray teo

Teo akaikin’ny vavahadin’ondry ’zay atao hoe Betesda



  Ary nisy fialofana dimy

  ’Zay hita tamin’io toerana io

  Tao no nandrian’ny marary maro

  Ny jamba ny maty ila ary ny mandringa koa



Ary nisy lehilahy anankiray teo

’Zay efa narary mafy naharitra ela be

Fantatr’i Jesosy izany zavatra izany

Ka dia nanontaniany "Te ho sitrana va ianao?"



  Tompoko raha etsehina ny rano

  Dia tsy mba misy olona handroboka ahy

  Nefa raha handeha aho dia misy olon-kafa

  Misosoka eo alohako



Dia hoy Jesosy taminy"Ralehilahy Mitsangana betao ny fandrianao, dia sitrana ralehilahy"







                                                  

                                                  SEDERA Jean Bart Claude

Partager betesda

Commenter betesda

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe AMFM