4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vonona - 'zay

Ianao nijerijery toa nisalasala
Toa te-ho avy tsy sahy
Mbola tsy vonona fa niahotrahotra
Ny hisora-tena fa hoe namana

Fony aho nandondona tao am-baravarana
Nisalasala ianao ny hamoha ahy
Noheverinao fa fitiavana tsy marina
Ilay faniriako mila namana

Ankehitriny ianao nahatsapa
Ny halehiben'ilay faniriana
Nihevitra ianao f'efa tara loatra
Nefa indro aho manambara hoe :

Ref : Vonona aho ny handray anao !
Vonona aho ny ho namanao !
Vonona aho ny handray anao !
Vonona aho ny ho namanao !

Hery lehibe no azo raha mitambatra
Hoentina handrava ny alahelo
Ireo matsantso anie hivadika ho mamy
Raha izaho sy ianao no mpinamana

Partager vonona

Commenter vonona

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite