4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy holazaiko - 'zay

Tsy lazalazaiko anao tsy hotantaraiko
fa ao anatiko ao, mbola misy azy foana
na tsy eo intsony aza ny salovan-tavany
tsy haiko novonoina ny anarany

Na dia teo aza ianao nisolo toerana
mbola henoko hatrany ny fahabangana
na dia tsy eo intsony aza ny salovan-tavany
tsy haiko novonoina ny anarany

Zany rehetra izany anefa
tsy natao hanimbana anao
fahatsiarovana mitoetra ,mijanona ho ahy irery
fa raha ilay fiarahantsika,
mbola hitohy tsy ho vita
fa ny tsiaroko azy kosa mijanona ho ahy irery

Partager tsy holazaiko

Commenter tsy holazaiko

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite