4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy ho any intsony aho - 'Zay

?'Lay fitiavanao toa mamy, ilay tsy mba mety ho lany

Dia natolotrao ho ahy

Mitamberina ao an-tsaina ka mankarary ny aina nefa indrisy,

Efa tsy eo intsony ianao, fa efa lasana nandao



Naleonao tokoa nangina

Izaho no tena adala tsy mba nahalala izany hoe tiana

Te hiverina any aminao indray mba hanohy iny fiarahan'iny

Nefa toa tsy sahy intsony aho



Satria efa menatry ny ratsy natao teo aminao ô ô ô ô

Matahotra aho sao hovalianao ireo ditra natao

Ka na mbola tia ahy aza ianao hatramin'izao ô ô ô ô

Tsy ho any intsony aho sao hofaizinao

Tsy ho any intsony aho hanadala anao...



Ilay fahanginanao, ilay fandeferanao rehefa misy adalako

Tsy natao am-po na dia nankarary fo tokoa ireny

Saingy tsy eo intsony ianao fa efa lasana nandao

Izaho irery no sisa miventso

Manenina aho kanefa efa rano raraka ireny



A/C : Nary 'Zay

Partager tsy ho any intsony aho

Commenter tsy ho any intsony aho

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'Zay

Suite