4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy afaka ao an-doha - 'zay

Taona maro lasa izay
Tsy nihaonantsika izay
Saingy hatramin'i zao aloha
Dia mbola tsy afaka ao an-doha
   Ireo natao teo aminao
   Heno foana mihelohelo ao
   Asa ianao raha ohatra ahy
   Mbola mahatsiahy

Tsy hoe lafatra daholo
Ireo rehetra manontolo
Saingy tsapa fa mitoetra
Ireo fahatsiarovana rehetra
   
Ireo natao teo aminao
   Heno foana mihelohelo ao
   Asa ianao raha ohatra ahy
   Mbola mahatsiahy

                ref: Na ireo vazivazy izay fanaonay
                         Mandalo foana ao an-tsofiko ao
                         Na ireo adiady izay nandratra ilay fo
                         Mbola reko avokoa
                         Tsy mety afaka ao an-doha

Mahatsiaro ka miventso
Ireo tsiky sy ireo sento
Fa tsy ho haverina intsony
Ilay tantara efa nikomy
   ireo natao...
   ... mahatsiahy
                   ref:...

Partager tsy afaka ao an-doha

Commenter tsy afaka ao an-doha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite