4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Manontany - 'zay

Mpinamana ve sa mpifankatia
No hiantsoana ahy sy ianao
Mifanjohy foana, tia miaradia
Hivondronana izay atao
Indraindray aza mifampiantso hoe Tiana
Mifampijery avy samy variana
samy mbola tsy nisy nanambara fa tia
Na namoaka izay marina ao anaty

Oh Oh Oh
Manontany anao aho anio
Oh Oh Oh
Manontany aho ka mba valio

Tsy ianao irery tokoa moa no tokony hamaly izany
Fanontaniana ho antsika roa
Asa raha ho voavaly
Raha ny ahy aloha efa fantatro ihany
Saingy ny avy any aminao aoka tsy ho hanihany

Fantampantatro ihany izay mety ho havalinao
Saingy tsy anjarako ny manambara izany

Oh Oh Oh
Manontany anao aho anio
Oh Oh Oh
Manontany aho ka mba valio

Fantampantatro ihany izay mety ho havalinao
Saingy tsy anjarako ny manambara izany

Oh Oh Oh
Manontany anao aho anio
Oh Oh Oh
Manontany aho ka mba valio

Partager manontany

Commenter manontany

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite