4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Isika roa - 'zay

      
               
Noravana fa hoe tsy anjara
Nofaranana fa tsy tsara
Nokosehina tao anaty,
'lay fitiavantsika

Nopotehina ny diary
Norovitina ireo sary
Nolazaina ankariary,
fa hoe : ts'isy intsony

Pont : Fo nafana
sady niaro fahazavana
Tsy nahalala akory
Ny hoe tena fitiavana

Ref : Ankehitriny izaho sy ianao,
Tsy nanam-po
Fa hoe ilay fitiavana
Mbola hifoha
'Lay noheverina hatrizay
Fa efa maty
'Njao hirongatra
Hay natory tao anaty

Mbola zaza tokoa t@ ireny
Mbola bedin'i Dada sy i Neny
Mbola tsy afaka nanambara
Fa hoe matotra
'Lay fitiavana toa nafana
Noheverina ho adalana
Mbola tsy afaka nahalala


Izay hiafarana

Pont : Fo nafana …

'Lay fitiavana toa nafana
Noheverina ho adalana
Tsy nahalala izay hiafarana
'Lay fitiavana …

Ref : …

Partager isika roa

Commenter isika roa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite