4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fitia voarara - 'zay

FITIA VOARARA

Nofihininao ny tanako, dia norohanao ny molotro
Tsy haintsika nosakanana, tsy hay nolavina
Dia toa samy nihevitra fa hoe mbola afaka
Hifampizara fitiavana, hiara-dalana
Nefa anie na izaho eny na ianao, samy mahalala fa
efa voafatotra tapa-dalana
Na dia teo aza ilay fitiavana izay nampifanantona,
Fitia voarara tsy azo atomboka

Dia navotsitrao ny tanako, dia samy nanondrika ny loha
Avy eo de nifanalavitra, samy nihataka
Nefa re tao anaty tao hoe misy hery vaovao
Hery iray zay tsy azo lavina fa fitiavana
Nefa anie na izaho eny na ianao samy mahalala fa
efa voafatotra tapa-dalana
na de teo aza ilay fitiavana zay nampifanatona
fitia voarara tsy azo atomboka

Partager fitia voarara

Commenter fitia voarara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe 'zay

Suite