4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy misy ahasolo anao - Marion

- Teo aloha tsy mba nandinika ny saiko

   toa tsirambina reo rehetra natao

   Tsy nitsinjo izay hiseho any aoriana , fa nanao izay hahafaly ahy

   Iny ianao nangina nolazaiko fa variana

   Diso anefa aho hoy ianao

   Nitomany ianao toa tampoka ho ahy

   Tia aho ka tsy sahy hoy ianao mijery ahy

   fitiavana no ilaiko izay nataonao hofafaiko hoy ianao



Ref : Tsy misy ahasolo anao ireo diso eny avelao

         Any andro iray ireo ditrako hatrizay

         Hiova ho fahendrena hanaja anao ilay efa nekena

         Raiso ny tanako androany, Hadinoy ireo vitako hatrizay

         Ilay fitia ho anao , izay niery tato anaty

         Tsy mioa ho anao na mandra-maty mandrakizay



-Izay vitako na kely aza fafanao

Fa mba tonga saina kely aho ny androany

Izay mamy aoka eny aza ariana fa natokako ho anao

Ny foko no miteny mba raiso anao re na dia kely

Tsy tofoka na tsy mba niteny,Nandefitra aho na navela irery

Nahafantarako anao ireny ny hatezeranao tsy mba heno

Kanefa aleoko ihany mibedy ianao na manotany



Ref: Tsy misy ahasolo anao...



- Ny foko no mijaly, mahitanao tomany

  Ka mamela ry tiako aza mbola lavinao androany

  Tena tia anao foana aho na nania



Ref : Tsy misy ahasolo anao...

Partager tsy misy ahasolo anao

Commenter tsy misy ahasolo anao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Marion

Suite