4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fahatsiarovana - Jon Mos

Miverina ato an-tsaiko
Ka mameno ny fiainako
Ireo fahatsiarovana anao rehetra taloha
Ilay voninkazoko
Izay nandravaka ny androm-piainako
Toa manembona ahy fona ato am-poko
Dia lasa ianao ka nandao ahy izao
Ka izaho irery no navelanao
Hanohy ty fiainana

Refrain:
Iriako eny hitoetra eto indray
Ilay fitiavantsika natao ho iray
Fitiavako nomeko anao
Manantena aho fa indray andro any
Hisolo hafaliana ilay tomany amin'izay

Fa toy ny masoandroko ianao
Nanazava ny androm-piainako
Ireo toloko sy alahelo ny fo
Tsaroako ihany koa ireo lasa sy ireo dinam-pitia
Izay nataontsika hoe ho doria
Malahelo anao aho izao
Ka mahatsiaro lavitra anao
Veloma mandrakizay...
yeah, yeah, yeah.

Refrain...

Masoandro nandrandraiko hiposaka ho ahy
Toa rahomainty fona no hitako hatrizao noho ianao
Mino anefa aho fa mbola ho avy
Ilay andro iray izay tsy maintsy hihaonantsika indray
Ary ho mandrakizay...(Refrain)

© Copyright 2016


Partager fahatsiarovana

Commenter fahatsiarovana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Jon Mos