4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 531 - ry jeso loharanon'aina - Ffpm

1.Ry Jeso loharanon’aina,

Izay foto-pahasoavana!

Ny fonay toy ny tany maina,

Fenoy fitiavana!

      Aidino ao ny tena aina,

      Mba hampifankatia anay,

      Fandrao ho tonga very maina

      Ny fitiavanao anay.



2.Ny hasomparana levony

Soloy fitiavana;

Ny lolompo ampijanony

Ho tia fihavanana

      Ny fo malaky mankahala

      Ovay ho tia namana;

      Ampianaro hahalala

      Ny didim-pitiavana



3.Toroy sy ampianaro

Ny fitiavanao zahay;

Mpiandry tsara o, velaro

Ny fonao mba ho hitanay

     Mba ho tarafiny tokoa

     Ny fonay mbola maizina,

     Ka samy hifanisy soa

     Sy hifamela heloka.

Partager 531 - ry jeso loharanon'aina

Commenter 531 - ry jeso loharanon'aina

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ffpm