4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 1+1 - Olombelo Ricky feat Poopy

Ricky: Sendra nandalo anie aho tamin'zay,
Nivezivezy fa tokana iray;
Tampoka toa reako avy any aminao
Azavana, Afanana, Atsarana!!!

Poopy: Sendra nandalo hony any aho tamin'zay
Nifanojo ny mason-tsika;
Nientana iray ny fo sy fanahy
Toa tsaroako tsy afaka an-doha!!!

Ref: Tsy nisy nanampo
Izaho sy ianao
Fa hifanojo fo
Ho eto izao
Vonona hiaraka fa tia
Raha ny faniriana
Dia ny ho doria.

Ricky: Tonga tsy nantsoina avy ao am-ponao
Misy hery iray hitiavako anao.
Sitrakin'ny RAY fa ho an-tsika amin'zay,
Ny hitambatra olon'iray.

Poopy: Rehefa naheno ilay antsonay
Nibitsika mangina ny foko;
Tsy haiko nolavina fa hery iray
No nandresy ireo ahiahy!

Ref:....(Duo)

Ref:....(Poopy)

Partager 1+1

Commenter 1+1

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Olombelo Ricky feat Poopy