4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ahy ianao - Ny jihy

AHY IANAO


Manindrona ny ati-foko tontolo
Ny firesahanao aman’olona
Satriko ianao mba ho ahy manontolo
Na dia ho be ny mpialona

Ny fahasarotam-piaroko aza efa tafahoatra
Sy ny fitiavan-tena
Raha ny tena izy tsy dia izany loatra
Fa izao raha jerena

Ahy ianao (ahy ianao)
Ka ho arovako foana
Ahy ianao, tsy foiko fa ahy
Tsy mahatsiaro ho tena tia aho
Raha tsy saro-piaro

Nataonao adala angamba aho indraindray
Tezitezi-poana tsy amin’antony
Raha toa ka hankahalaiko ilay olona iray
Tsy mahalala ny tokony ataony

Tsy fantatro izay foton-dresakareo
Tsy misy antony
Tsy fantatro izay antondianareo
F’izay no fantatro

Ahy ianao (ahy ianao)
Ka ho arovako foana
Ahy ianao, tsy foiko fa ahy
Tsy mahatsiaro ho tena tia aho
Raha tsy saro-piaro

Partager ahy ianao

Commenter ahy ianao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny jihy