4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'ndao - Priscilla

Isika rehetra izao no antsoina hoe vatany
Ary Izy no lohany
Sofina hihaino sy maso hijery ary tanana hikasika
Tongotra hizotra koa
Maro mantsy ireo mbola matory voafitaky ny fahavalo mpandainga
Ny vatana no andrasana hihetsika hampody azy mba hankany antrano

Fa manina Azy ny Ray, malahelo ny Ray
Ny zanany tsy foiny, lavitra Azy indray
ndao hiaraka aminay, hampifaly Azy izay
hamerina ny zanany, hanakaiky azy indray
yeah

Chorus
Ny Ray anie no momba anao
Hiaraka aminao e sy hiaro anao e
Izaho hivavaka ho anao e
Hanampy anao aho
Tohanako ianao e
yeah yeah (Fanahy mahery ny ao anatinao)
yeah yeah (Manoatra noho ny Mpandresy isika)
oh oh (fitiavan'ny Ray no manosika antsika)
Ka andao e (hanokatra ny mason'ireo jamba)
Ka andao oa (ho soloina fiainana ny fahafatesana)
Andao e ié!

Ny tahotrao avelao
Fa ny Ray mahay manao ny zavatra rehetra
Ny ao anatinao mahery lavitra noho ilay @ izao tontolo izao
Ento ireo fiadianao fa efa nomanina ho anao ny fandresena
maro amin'izay ireo zanany no hody satria nanaiky nandeha ianao

Fa manina Azy ny Ray, malahelo ny Ray
Ny zanany tsy foiny, lavitra Azy indray
ndao hiaraka aminay, hampifaly Azy izay
hamerina ny zanany, hanakaiky azy indray
yeah

Chorus
Ny Ray anie no momba anao
Hiaraka aminao e sy hiaro anao e
Izaho hivavaka ho anao e
Hanampy anao aho
Tohanako ianao e
yeah yeah (Fanahy mahery ny anatinao)
yeah yeah (Manoatra noho ny Mpandresy isika)
oh oh (fitiavan'ny Ray no manosika antsika)
Ka andao e (hanokatra ny mason'ireo jamba)
Ka andao oa (ho soloina fianana ny fahafatesana)
Andao e ié!

Partager 'ndao

Commenter 'ndao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Priscilla