4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira 'lay andro fanavotana (choral serafima ambohibao toby - FLM)

Misy andro anankiray

Napetraky ny Ray

Tsy maintsy ho tandremana

Ambara ny taranaka

Andro hiravoana

Ka hanompoana

Lalana hatrizay

Mitohy mandrakizay

           Ambara amin’izay

           Izay nataon’ny Ray

           ’Lay sandry mahery

           Nitondra ny Israely

          Ho fanavotana

          Ho fanafahana

          Hiala ny tanana

          Izay nandevozana

Ilay hafatry ny Ray

Dia toa mandrakizay

Kaseho hafa vaovao

No nanavotany ahy sy ianao

Roa arivo taona izay

Ny vonjy izay natao

Ka hira no asandratray

Ho fisaorana

           Jeso no nanao

            Ny fisoloana anao

           Tsy ran-janak’ondry

           Fa ran’Ilay Mpamonjy

          No nanavotana

           No nanafahana

          Voavono i Kristy

          Pasaka mba ho antsika ety


Partager 'lay andro fanavotana (choral serafima ambohibao toby

Commenter 'lay andro fanavotana (choral serafima ambohibao toby

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FLM)