4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Mahaleo Zandriny

  • Mahaleo zandriny image 0
Miarahaba antsika rehetra.

Ny mpiara-miasa rehetra amin'ny GROUPE ADY CLEFS - Ambodivona, ny namana rehetra dia asaina hanatrika sy hifampilaza ny amin'ny hetsika iray voalohany izay karakarainy :
Afon-dasy iarahana amin'ny MAHALEO ZANDRINY ny Alakamisy 25 Jona 2009.
 
Fantatra ihany koa ny fankafizantsika ny hiran'ny tarika Mahaleo, eo ihany koa ny fankafizana guitare. Milay indrindra koa ny fiarahan'ny samy mpinamana sy fahitana ireo namana ela tsy hita.
 
Raha ny ambiances indray, tena manao izay maximum mihitsy izahay mpikarakara : sono, sakafo, zava-pisotro. Ny @ fiomanan'ny artiste indray, répétitions andro @ alina, tena lafatra e!
 
Miandry ny fotoana sisa.

Fanombohana : @ 8 ora alina, mandra-maraina
Toerana : Phoenix Fialamboly-Ilafy (400 metatra miala ny Lambert Ilafy na 4.4 Km avy eo amin'ny Somacou, efa vita tsara ny lalana.)
Vidim-pidirana : 7 000 Ar, Réservation : 10 000 Ar
Misy fiara mitatitra miala eo @ Epicerie Anjarasoa Ambohitrarahaba @ 7 ora sy sasany sy @ 8 ora sy sasany, 1 000 Ar ny saran-dalana mandroso-miverina.

MIKASIKA NY TARIKA MAHALEO ZANDRINY
 
Ny 07 Aprily 2007 no niantombohan'ny tantara, tamin'io fotoana io no tafavondrona ry zalahy. Miisa 6 ny mpikambana ao anatin'izany tarika izany izay
ahitana an'i :
 
Ony (Fafah zandriny), Mahaleo Santatra (Dama zandriny), Tolotra (Dadah zandriny), Rindra Lin (Bekoto zandriny), Haja (Raoul zandriny), Antsiva (Nônô/Charles zandriny).
 
Roa taona izay no niarahan'ny tarika ary mihamafy hatrany ny firaisan-kinan'izy ireo. Arak'izany dia notandrovan'ny tarika lalandava ny fihavanana sy ny soa toavina izay efa naorin'ireo zoky be, dia ny tarika "Mahaleo".
 
Vonona ary ny tarika hanome fahafaham-po feno ho antsika mpankafy ka manentana anareo ho tonga maro.
 
MIKASIKA NY MPIKARAKARA :

ADY CLEFS Ambodivona,
Réparation-Déblocage-Confection clefs
Duplication clefs à puce
 
Slogan : "Mamorona ny tsy misy, Ady clefs tsy very mandeha"
 
- Réparation neiman, serrure
- Duplication clefs
- Modification secrets et dents en cas de perte
- Création nouvelles clefs
- Création nouvelles clefs à puce
- Copie clefs à points, clefs à vague
- Ouverture et remise en etat coffre
- Dépannage rapide en moto
 
Adresse : Ambodivona enceinte Quincaillerie Alpa, Lot I V M 12 Ter A
Tél : 26 301 68 / 033 09 183 70 / 032 02 339 31
 
Feno herintaona t@ 'ty volana Jona ity no niorenan'ny ADY CLEFS.
 
ADY CLEFS
RAPARISON Heriniaina Michel
033 11 588 79

Adresse de l'évenement

Phoenix Fialamboly-Ilafy (400 metatra miala ny Lambert Ilafy na 4.4 Km avy eo amin'ny Somacou, efa vita tsara ny lalana

Informations supplémentaires

Téléphone :033 11 588 79
Ville :Tananarive

Partager mahaleo zandriny

Commenter mahaleo zandriny