Indram-peo
INDRAM-PEO
Ilay teny Malagasy, izay nampianarina ahy,
Ilay teny tsara indrindra, tsy menatra mitaha
No hitantarako anao, ny fiainan’ny fitia
Ka ireo feo Malagasy, kanto no hindramiko
Hizarako aminao, ireo soratsora-mamiko
Koa dia asaina ianao, andeha hiara-dia
Dia hitambarantsika, ireo vetsovetsom-po
Hambarako aminao, ireo riman’olon-droa
Hokaloiko anao, ireo tondrom-peon’ny foko
Ka ilay boky “Tia” , hiavaka an-doko
Indram-peo no hetsika voalohany aseho an-tsehatra, hiantsana ireo tononkalon'i Raozigasy.
Izany dia hatao ny asabotsy faha 21 mai 2011, manomboka amin'ny 08.00 alina, ao Paris 75014.
Ny toerana dia ao amin'ny 10 rue de la Tombe Issoire.
Metro : Saint Jacques
Seho - Feo - Jiro - Zava - Kalo - Dihy - Tsako - Sotro : ireo laro sy kanto handravahana ity hetsika voalohany ity
Ny fandraisana anjara dia 15 euros ary hahazoana boky 01
Voafetra ny toerana
fifandraisana : raozigasy@gmail.com
Adresse de l'évenement
10 Rue de La Tombe Issoire
Informations supplémentaires
| Téléphone : | 0665138627 |
| Ville : | Paris 75014 |
Commenter indram-peo