4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ho malalanao - Zay

Toa vao haingana ihay no nahalalako anao
Fotoana fohy ihany hatramin'izao
Nefa tsy mifankafoy mifampiankin-doha
Mpinamana mahafatra-po
Na ny manodidina aza efa mananihany
Indraindray toa mahatonga saina ihany
Hoe izay misy anao dia tiako hisy ahy hatrany
Tsy mahafoy anao aho, marina izany

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao

Mierikerika foana raha vao mandeha irery
Mitady anao sao lahy mba eny ho eny
Na ny nofiko aza refa matory
Raha vao tsisy anao dia manorisory
Rehefa iny aho oriory tsy mety izay atao
Misava avokoa raha vao antsoinao
Ireo oram-pifaliana indray no ahatsapako
Fa tsy feno mintsy raha vao tsy eo ianao

Fa efa zatra anao, zatra anao
Zatra niaraka aminao
Efa zatra namanao
Ka ny ho malalanao, io indray no mba iriako
Ka ho malalako amin'izay no hiantsoako anao

Partager ho malalanao

Commenter ho malalanao

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Zay

Suite