4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Avelao izy handeha - Willah

reko izao feonao mitalaho
milaza fa hoe tena tsisy azo atao
mandratra tokoa ilay fery ao am-po
kanefa hatrakao ny loha

an-tsainao izao izay vitany
nefa aza atao mahakivy
fa in dray andro any mbola ho avy
ny anjaranao tsy ho lany

ref : avelao izy handeha
aza sakananao
ajanony hatreo ireo tomaninao
avelao izy handeha
fa fiainam-baovao
indray izao no hatrehanao

fantatro fa tsy ho mora ny handao
ireo nokasaina toa lasa nangahy
am-po tokoa ilay ratra taloha
kanefa hatrakao ny loha

an-tsainao izao izay vitany
nefa aza atao mahakivy
fa indray andro any mbola hoavy
ny anjaranao tsy ho lany

ref : avelao izy handeha
aza sakananao
ajanony hatreo ireo tomaninao
avelao izy handeha
fa fiainam-baovao
indray izao no hatrehanao

tsy ho neninao ireo vita natao
aza mitanondrika ianao
fa ny alahelo hatsaharo izao
lalan-kafa indray no katsho

ref : avelao izy handeha
aza sakananao
ajanony hatreo ireo tomaninao
avelao izy handeha
fa fiainam-baovao
indray izao no hatrehanao

Partager avelao izy handeha

Commenter avelao izy handeha

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Willah