4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Vary amin'anana - Tana in love

Eto anatrehan' Andriamanitra sy ny lanitra
Manaiky anao!Manaiky anao ho vadiko aho,
Manaiky anao aho!
Ireo koa ny ambanin' ny lanitra,mahita izao fotoana izao
Manaiky anao ho vadiko aho!Manaiky anao !
Fa n'inoninona mety hanjo na hijaly aho na ho faly koa,
Tiako ianao !... Tiako ianao !
Ka hatramin' izao fotoana izao
Na ho mandrakizay, raha toa tianao,
Tiako ianao ! Tiako ianao...

Tsy omaly intsony ny fianako anio
Tsy angano na nofy intsony satria
Nifanena indray ny lalantsika roa
       Tsikitsiky tsy nisy firy taloha
       Ny fanantenana tsy re feo intsony
       Nitobaka indray nameno ny fo…
Nanaraka ahy hatrany am-pandriana nody
Ilay feonao nihira hafaliana fa tia ;
Tena tia no sady tiana
   Tia mihoatra noho ny taloha
   Velon-kira koa ny foko noho ianao !
   Tsy omaly - - > fo
   Ny fontsika roa hitambatra iray
   Ny feontsika koa hanandratra hira
   Tsy toy ny taloha fa ho mandrakizay (3x)

Tonga izao ilay ora nandrasantsika ela izay
Androtsika roa izay nanambatra ho iray
Ny aiko sy ny ainao
Ilay bitsiky ny foko nandrotsirotsy ahy taloha
Indro tonga hira nampifoha
Ny hamamintsika roa
       Manomboka izao
       Dia tsy ho irery intsony ianao
       Fo sy saina iray no entitsika hamakivaky
   Ny fiainana ety, ity fiainana ity
       Ho foiko manontolo
       Izay hahasoa sy hahasambatra anao
Mahazo mahatoky ahy ianao
   F'izay mamy indrindra izao
   No efa foiko ho anao
   Ny androko rehetra foiko omena anao
   Tsy hasiako fetra mba hanjakanao
   Lazao ‘zay sitrakao, izay tianao hambarao
   Omeko anao satria tiako ianao

Omeko anao ts’isy fetra ny fitiavako rehetra
Ny masonao ny tsikinao mahababo ahy tokoa
       Raiso re raha sitrakao fa atsy hanenenanao
       Omeko anao ny fiainako tontolo
Omeko anao avokoa ‘zay mety ho vokatry ny fo
Ny masonao ny tsikinao mahababo ahy tokoa
       Omeko anao fitiavana ‘zay rehetra irinao
       Raiso re fa vokatry ny fo.
‘Zay sitrakao(‘zay sitrakao) dia manjary tiako koa
Satria ianao(satria ianao) mandray an-kira ny foko
‘Zay maminao(‘zay maminao) no hany mamiko
   Omeko anao, omeko anao ny fiainako

Andro soa tsy manam-paharoa
Ry mpivady ny andro anio ka tadidio
Mpifankatia vonona hiara-dia
Ka hamakivaky ny onjan'ny fitia
Mikasa sy mivoady ny ho doria
Ka tsy hivadika na hiova sanatria
   Tanteraka eto anio ny voadin'olon-droa
   Ho mpivady hifanoa
   Hifampiahy hifanasoa
   Zanahary ô ampio ary koa tahio
   Ny tokatrano izay
   Rarina ho mandrakizay

Partager vary amin'anana

Commenter vary amin'anana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tana in love