4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy sahy - Kiaka

Asa raha fantatrao ny ao am-poko ao
Fitiavana naniry anao
Tsy sahiko lazaina ; matahotra aho mantsy
Sao dia lavinao
Tsy tsapanao, izaho efa raikim-pitia
Mijery anao, manjary mankahia
Tsy tantiko èry

Rahoviana ihany mantsy vao tsapanao
Ny fitiavako mangina, mikotrika ao
Ianao no nofiko hatrizay
Hanasitrana ity foko efa lasanao, babonao

Tsy ampy angamba mantsy
Ny hery ananako
Amborahako fitia aminao
Ny masonao mijery, toa mibanjina ahy
Manainga ny fanahy
Ny endrikao, izay mitsiky malefaka
Toa miantso ahy, inoako te-hiresaka
Fa tsy sahy

Rahoviana ihany mantsy vao tsapanao
Ny fitiavako mangina, mikotrika ao
Ianao no nofiko hatrizay
Hanasitrana ity foko efa lasanao, babonao

KIAKA

Partager tsy sahy

Commenter tsy sahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Kiaka

Suite