4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tsy sahy - Mage 4

TSY SAHY



Miverina indray ny fahiny

Ilay toetranao nahafinaritra ahy

Mampitory fitia

Niezaka foana teny aho

F’ianao no tsy nety



Ankehitriny anefa tsapako ianao f’hay efa tia

Fa tsy nampiseho

Ilay fo tsy natoy taloha natahotra ny ho tia



Ref :

Ianao no tsy niteny nefa tia

Fa vahotra ny vavanao ninia

Na sarotra aza ny hiainanao irery

Naleonao niery



Ianao no tsy nijery nefa tia

Tsy sahinao naseho izany satria

Sao potika sy rembin’ny tadio

Ilay fonao nadio



Atopatopan-drivotra ety

Ny hakanto sy hanitry ny fitia

Raha tazako ianao

Ny tsikinao nihatsy fa toa tsy sahiko sedraina



Adinoko avokoa ny tontolo

Ny alahelo tsy hanaloka intsony

Dify tsy ho hita

Tsy hisy ho tsaroina ireo raha hanoroka anao



Ref ....



MAGE 4

Album ’’Miverina indray ny fahiny’’

Auteur Compositeur : Lita et Elysé

Arrangement : Mage 4

Enregistré au studio Wave 3 Manjakaray. Madagascar. (2002)

Partager tsy sahy

Commenter tsy sahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite