4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tampoka avy teo - Tovo j'hay

Nandritry ny androm-panadinana   no niseho ity tantara
Marobe ‘reo mpifaninana   nijoro sy niandry fiara
Avy eo aho de nahatsikaritra   tovovavy kely izay
Nijoro ery alavidavitra    tsy dia akaiky loatra ahy

Asa aloha raha ‘zay anjely
ny endriny toa mahafatifaty kely
Tsy dia be haitraitra   fa de nanaitra


Ref   Tampoka avy teo      nifampitodika
            Dia samy avy eo       de niondrika
            Ny fiotanam-po      nidobodoboka mafy tokoa
            Dia nifampijery       nifampitsiky kely
            Toa tsy an-kiteniteny   
            Mifono hevitra ampitaina   tsy hay lazaina


Nony   afaka ‘ray volana tafahaona indray ‘zahay
Nifanesika ‘reo olona      tam’ valim-panadinana
Tazako izy fa sahirana      nitady ny anarany
Ka izaho no nanatona      sady koa mba niangaviany
Oh oh
Hafaliana feno tokoa
Fa dia samy tao ny anaranay roa
Ka nifampiarahaba sy nilazalaza ny momba anay


Ref   Tampoka avy teo      nifampitodika
            Dia samy avy eo       de niondrika
            Ny fiotanam-po      nidobodoboka mafy tokoa
            Dia nifampijery       nifampitsiky kely
            Toa tsy an-kiteniteny
            Mifono hevitra ampitaina   tsy hay lazaina


Nanomboka teo   dia    mpinamana izahay roa
Nifankatia      tsy nifankafoy





Tovo J’Hay

Partager tampoka avy teo

Commenter tampoka avy teo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Tovo j'hay

Suite