4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Takariva - Ny Nanahary

Takariva mahatsara vahiny

Kanto loatra ilay akaniko iny

Dia ianao ry lay tanànako fahiny

No ho tsarovako ts’isy tsiny



           Ny masoandro mibaliaka mandefa

           ’Rony tara-pahazavana hiantefa

           Manatsara ny endrikao ry tanàna

           Lay tena tokana sarotra ialana



Raha sendra lavitra any ho any, indrao fa tsy tàna

Mitangorongorona, mamelona ratra

Sentosento, tebiteby sesilany

Mameno, mameno re ny fo mahatsiahy



           Soa ilay tanàna, zay tena mahatamana

           Ilay akany, mamiko raha may

           Soa ilay tanàna, zay tena mahatamana

           Ilay tanàna, mamiko raha mamy.





                                 Ny Nanahary

Partager takariva

Commenter takariva

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Ny Nanahary

Suite