4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tadidio - ROLF

TADIDIO



Aiza re no hitodihana mba ahitàna ilay fandeferana tsy adino ?
Fa mbola ho avy, betsaka ny andro mafy ka aleo miara-miaina sy mifanampy. Iza no resy, iza no mandresy ? Raha kolako ianao, ianao rahalahiko, kola koa aho ka aleo isika hikalo hoe :
« Mora amoko ny manampy anao,
Sarotra amoko ny manankana anao,
Maivana amiko ny mibata anao
Mavesatra amiko ny mampainjera anao, ny hivadika aminao dia tsy ho vitako.»
Ny fandriampahalemana tadidio, ilay fitavana...
Ny boky rehetra dia mitantara hoe : « olon-droa mifankatia no razan’ny olombelona rehetra. » Mpianakavy daholo isika rehetra, mpihavana mifanaja no dikan’izany , ka iza no mafy ? Iza no malemy ?
Raha halako ianao, ianao no havako, ho an’iza ary aho no hihira hoe :
« Mora amoko ny manampy anao,
Sarotra amoko ny manankana anao,
Maivana amiko ny mibata anao
Mavesatra amiko ny mampainjera anao, ny hivadika aminao dia tsy ho vitako.»
Ny fandriampahalemana tadidio, ilay fitavana...

Mora amoko ny manampy anao,
Sarotra amoko ny manankana anao,
Maivana amiko ny mibata anao
Mavesatra amiko ny mampainjera anao

Mafy amiko mankarary anao
Lava amiko ny mampiandry anao
Loza amiko ny mamono anao
Henatra amiko ny mifosa anao

Alaheloko ny mandao anao
Adin-tsaiko ny manahirana anao
Hasambarako ny mampifaly anao
Faniriako ny hahatafita anao

ROLF

Partager tadidio

Commenter tadidio

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe ROLF

Suite