4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tadidiko ry zalahy - Mahaleo

Tadidiko ry zalahy e,
Tamin'ny 72 e, isaka vao nanomboka niaraka
Mpianatra alin-kisa e,
Nisy firaisan-kina e, tao isika no niposaka
Tsaroako tsara izany andro izany
Fiaraha-mihira tsisy tahak'izany
Ny fiainanay mbola hira ihany

Eh ia, eh, eh iae, ia eee !

Ohatran'ny mahatsiaro an (3)!   
Efa ela, efa ela
Ka ohatran'ny mahatsiaro an !

Izao indray ry zalahy e,
Raha mbola tafaray e
Satria ianareo dia feno fitiavana
Ny hira sy ny asanay e,
Mitady tsy hifandray e
Nefa mbola mety mihavana
Ny asanay efa sesilany
Ny fiainanay, tsy hira ihany
Ny tarikay, mbola eo ihany !

Ieh ia, ieh ia, iae, ia eee !

Ohatran'ny mahatsiaro an (3)!   
Efa ela, efa ela
Ka ohatran'ny mahatsiaro an !

Ohatran'ny mahatsiaro an (2)!   

Tazako ry zalahy e,
Tazako aloha any e,
Isika efa antitra mbola tafaraka
Tazako ry zalahy e,
Tazako aloha any e,
Isika efa samy mitondra taranaka
Tsinjoko tsara izany andro izany
Tsinjoko tsara isika am'zany
Mbola mihira, tsy an-kitomany

Ieh ia, eh iah, ieh ia, eh iaeee !

Ohatran'ny mahatsiaro an (3)!   
Efa ela, efa ela
Ka ohatran'ny mahatsiaro an !

Partager tadidiko ry zalahy

Commenter tadidiko ry zalahy

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mahaleo

Suite