4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Tablier manga - Lôlô sy ny tariny

Tablier manga
Fony ianao zazavavy tsotra
Nitondra Kitapo
Nanao tablier(bis)

Iny ianao fa namonjy lera
Tsy nitaveravera
Fa(sao tezitra i Mera)bis

Saika diso endry
Tsy nilalao afa tsy
Ireny saribakoly ireny

(Nefa ny saribakoly
Tsy mamaly fitia )bis

Tonga ary aho,tonga aho hitantara
Ilay hatsaran'
Ny raozy vao maraina(bis)

Nampianariko anao
Koa ny nankafy,iry lanitra iry
Rehefa (maty ny Masoandro)bis
Nony tonga ny hariva
Ianao nanisa Kintana
Izaho nibanjina ny tany

(Izaho somary miala
Ianao miantso hoe avia)bis

Partager tablier manga

Commenter tablier manga

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Lôlô sy ny tariny

Suite