4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Fanekem-pinoana - Solo

FANEKEM-PINOANA

Nahoana ny maso no tsy anganoano
Raha sendra alondrano
Nahoana ny saina no tsy hovalalanina
Raha sangodim-panina

Fa very mahamay, No hitsapananay, Ry tompo rainay

Nahoana nahoana ny fo no tso hotorovana
Raha sendra fahatsiarovana
Nahoana ko nahoana no tsy ho adaladala
Raha zanaka-malana

Tina sy lalaina, no indro ho mena aina, mbola vao maraina

Kanefa raiko ô izao no hirako
Izao asandratro izao
Tsy sanatria tsy akory ho faniriako anao
Fa maika anolorako-indray aminao
Ilay manda vaovao, ny herin’ny finoako, tsy mbola niova loko
Satria mino aho fa, ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa, ilay velomanay, tsy ho mandrank-izay

Fa maika anolorako-indray aminao
Ilay manda vaovao, ny herin’ny finoako, tsy mbola niova lokoSatria mino aho fa, ilay velomanay, dia mandrampihaona ihany
Satria mino aho fa, ilay velomanay, tsy ho mandrank-izay

Partager fanekem-pinoana

Commenter fanekem-pinoana

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Solo

Suite