4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry tompo tsara - FEFI



1 – Ry tompo tsara ô ! mpamindra fo

Ianao no andoharako ny ato am-poko

Tsaroako mantsy ny feonao

Naniraka ahy ho amin’izao tontolo izao

Mba hanambara ny hafatrao

Torio ny teniko sahia mijoro

Indrisy Tompo tsy nahavita

Fa voatsinampy kely iray no hany hita

Apetrako eo an-tananao

2 – Raha hanontany mantsy ahy ianao

Rehefa mby tonga eo amin’ny fanjakanao

Ho torotoro hangorohoro

Ho rano an-dravina ny tena manontolo

Haseho eo amin’ny Ray

Ka hianjahanja sady ho very fanahy

Aza jerena ny halemena

Na dia tsy azo afenina aza ny kilema

Tsaroako eto lay teninao

Ray ô mamela fa tsy hainy izay hatao

Partager ry tompo tsara

Commenter ry tompo tsara

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe FEFI

Suite