4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry tompo andriamanitra.... - Manafi

1 Ry Tompo Andriamanitra ô

henoy re ity zanaka

Ianao no hantoniko anio

ilazako ireo hetahetako izao

ny lalana nombako ry Ray

nandaozako ilay tranonao

tsy nisy izay fiadanana

rendrarendra avokoa

sady nandratra fo sy fanahy



2 Ry Tompo Andriamanitra ô

ho any amin’izy moa re

ity zanakao be siasia

no hitondra ireo entana izay tsy zakako izao

malemy ity nofoko

sy mora solafaka koa

ianao nefa Ray fantatro

fa mihaino ity zanakao izay nania Tamina



réf. Tsy mba masiaka Ianao

        Ray sady be indrafo

        eny be famindram-po

       aborako eto Aminao

        fa neniko ny ditrako

        ifonako ireny ry Ray

        aza tsarovanao ireo

        ditra izay vitako  

Partager ry tompo andriamanitra....

Commenter ry tompo andriamanitra....

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Manafi