4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry tanora maitso volo - Fifohazana Manolotrony

Ry tanora maitso volo

Eo ny anjaranao ankehitriny izao;

Ary ny tenanao mihamatanjaka,

Ary ny saina koa matsilo fatratra.



Nefa saino ny fiainana

Fa mandalo sy mihelina,

Ka ny mety izao dia mihavana

Amin’i Kristy Mpamonjy Be Fitia.



Mba jereo itony rano

Misononoka mandeha mora;

Vetivety foana dia mivarina

Amin’ny hantsana mahatsiravina!



Toa izany koa ny fiainana:

Vetivety faly, vetivety ory.

Ka ny mety izao dia mihavana

Amin’i Kristy Mpamonjy Be Fitia.



Mora miova ny eto an-tany,

Tsy misy tsara izay mateza.

Ny any ambony [any] dia tsy hita lany

Fahasambarana sy fiadanana.



Mora miova ny fiainana,

Fa mandalo sy mihelina,

Ka ny mety izao dia mihavana

Amin’i Kristy Mpamonjy Be Fitia.

Partager ry tanora maitso volo

Commenter ry tanora maitso volo

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Fifohazana Manolotrony