4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Ry noro o ! - PIERRE ROSELLI

1- ry NORO  ô!

ny rivotry ny alina

nikiky ny famoizanao

arahin-kotroka tomany

mampientana ny fo

NORO o o

nefa mbola ao am-poko ianao!



2-ry NORO ô!

semban-tselatra eny mantsy

izany fitiavantsika ao

nefa tao imasonao

ny hetahetan’ny fitia

NORO o o o o o

nefa mbola ao am-poko ianao



tsapanao ve ry NORO o

fa ho antsika izao alina izao

izay fijalian’ny zava-boary

tsy mihoatra ny jaly ao anatiko ao

henoy ity aiko izay savolaina

te hidradra fa feno alahelo

anaty hazavan’ity fatana kely

mitsilopy anilako eo



3-ry NORO o

mahaverivery saina hoa

ny rivotra mifofo izany

hatsiaka nahafaty injao

mitambolombolona any

NORO o o

nefa mbola ao am-poko ianao



4- ry NORO o

miredareda hoa

izay nokoloina fahizay

ny afom-pahasambaratsika

indrisy koa fa tsy niraitra

NORO ooo

nefa mbola ao am-poko ianao



mionona ianao ry NORO o

maty ny  fitia tsy tsapanao ve

ireo fanahy handao antsika

toa sanganehana avokoa

raha ho faty ihany anie

fa izany no hiafaràna

nahoana raha ny fitiavantsika

no ahafatesana @ izany ?


Partager ry noro o !

Commenter ry noro o !

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe PIERRE ROSELLI