4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Rom-patsa - DeeL

Raha tonga ny andro izay hahavelomana

Dia mbola rom-patsa no ifanolorana

Tsy miova, tsy lefy ilay fomban-drazana

Sakafo mahavelona iaraha-mahafantatra



Ny toko sy fatana angamba ny tapaka

Ilay vilany nongo no vaky nipasaka

Mandroso ny andro, tsy tsiny raha hiakatra

Ny lela sy kibo efa manina fatratra



Ny patsa anefa toa mampihambatra ahy

Hanindrona, handratra, tsy ho azo mitambatra

Mba firy amintsika no efa nisambotra

Fa patsa efa maina no hiadiana varotra

Dia iny ny hariva fa tena mirindra

Tsy misy tezitra hivindavinda



Raha toa tafita ka tafasondrotra

Karama mandifotra, mandina somotra

Fadio ny manary ny harena efa an-tanana

Ny sakafo dia mila tokoa fiandrianana



Ny taranaka eto dia mba tsy ho saozanina

Ny asa rehetra dia ho matihanina

Ny fanontoloana tsy vato hisakana

Efa nivonona isika, koa andeha hitsangana



Ny sakafo tsy mihoatra ny fito loha

Fa nampifandiasana vary sosoa

Raha kibo no hamparina dia hikorontana

Amalona maitso no hatao haninkotrana !

Tsy mety, tsy tsara no sady tsy ho vitako

Ka dia ny rompatsa no eo an-doviako



Ny patsa anefa toa mampiambatra ahy

Hanindrona, handratra, tsy ho azo mitambatra

Mba firy amintsika no efa nisambotra

Fa patsa efa maina no hiadiana varotra

Ka iny ny hariva tsy lainga fa hitako

Mangata-maso ilay olon-tiako

Partager rom-patsa

Commenter rom-patsa

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe DeeL