4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Roboka - TARIKA TSIMOKA

Dia roboka aho nandray ny fonao

efa revo ery fa hoe tsy kilalao

Dia nafoiko koa ny amiko rehetra

Tsy mba fantatro ianao manafin-toetra



Nantenaiko ianao fa hoe ho ahy irery

Indrisy anefa hoy aho fitia fangalampiery

Ny lalana aleha toa misimisy ahina

Kay ianao ity ve efa manan'olon-tiana



Tsikitsikinao sariaka no nambabo ahy

Tato anatinao kay feno haratsiam-panahy

Ireo fihetsikao mody misarika fitia

Nefa hodin-janak'ondry tafin'amboadia



Tsy anenenana fa hita sy efa re

Hay ny nahalala efa niomehy

Dia afa-baraka aho amin'izay nahita

Nefa atoko ahoana izay aloha no vita



Tsy hitomany aho hitomany anao

Mino manantena hafa vaovao

Afa-po nitia sady efa rava

Ny todim-pitia izay kosa manodiava



tsikitsikinao sariaka no ...


Partager roboka

Commenter roboka

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe TARIKA TSIMOKA