4 - Plus de 1200
3 - 980px - > 1199px
2 - 768px - > 979px
1 - 480px - > 767px
0 - 480px

Tononkira Roa ho iray - Mage 4

Niezaka teny foana aho
Ny hanantona anao
Te-hanarina ireo tsy nety
Nandratra ny tao anatinao tao
Mbola zaza fanahy aho tamin'ireny
Tsy matotra na toetra na fiteny
Ny hambo koa tsy voafehy
Naharava ny antsika

Hay ilay toerako tao aminao
Tsy lasa fa mbola niandry
F'ianao ninia tsy nampiseho hoe
Mbola tia

Ka hiara-dalana indray
Fo roa vaovao no hitempo iray
Hifampitantana
Ho mandrakizay

Tsy nisy na iray aza hatramin'izao
Nahafafa ny fitiavako tsy ho anao
Ny hanitrao toa manaraka eny foana
Ireo nofy tsy hotantaraiko intsony
Iriko eny hisy ny andro iray
Hanorenantsika indray
Ilay edena vaovao
Lavitry ny hadalana

Partager roa ho iray

Commenter roa ho iray

Les autres chansons de l'artiste ou du groupe Mage 4

Suite